Canalblog
Editer l'article Suivre ce blog Administration + Créer mon blog
Publicité
RNmariage-fisoratam-panambadiana-wedding
24 novembre 2015

Descendance&Racines-Taranaka&Fototra-Kids to Roots

A_AB7BIS

helys photos © , all rights reserved 2015 - tous droits réservés ~  Ne pas utiliser nos photos sans notre autorisation.

MANJA (Belle - Comme tout ce qu'on voit dans un jardin les filles malagasy sont belles)

Manja

LALATIANA (Nom de femme malagasy) 

LALATIANA

Zazavavy iray, zanaka tantsaha

Mahafatifaty sady mahavariana

Ny anarany dia gasy fa tsy mba vazaha

Tsy iza akory izany fa i Lalatiana

 

Voa jerena kely dia mitsiky mahasondriana E (katraka ianao, ry Lalatiana)

Toa mandefa resaka sy bitsika mangina O (katraka ianao, ry Lalatiana)

Volana mazava izato endrikao sariaka E (katraka ianao, ry Lalatiana)

Satria ny tsikinao toa masoandro mibaliako O (katraka ianao, ry Lalatiana)

 

Oô Oô Oô Oô

Na iza tsy tia na iza halantsika ry Lalatiana

Ny fifankatiavantsika tsy azo ariana

Na eny andalam-be na eny ampivoriana ô

Izay rehetra lalovany dia variana

 

Adaladala foana ireo tsy tia

Isika vao maika koa miara-dia

Raha sendra mandalo dia mamangia

Fa ny mihafahafa dia sanatria

===Mozika===

Na mitafy lamba, na mitena akanjo

Dia hitako fa tsara ny bika sy ny ranjo

Hatramin’ny famindra, hatramin’ny fijoro

Malefaka tokoa ilay kanto zozoro

 

Ny olona tsy tia dia mangarika manjola E (katraka ianao, ry Lalatiana)

Izato ianao kosa toa vao maika miangola O (katraka ianao, ry Lalatiana)

Izay hatoninao dia mahazo fifaliana E (katraka ianao, ry Lalatiana)

Izay hilaozanao dia mahita hakivina O (katraka ianao, ry Lalatiana)

 

Oô Oô Oô Oô

Na iza tsy tia na iza halantsika ry Lalatiana

Ny fifankatiavantsika tsy azo ariana

Na eny andalam-be na eny ampivoriana

Izay rehetra lalovany dia variana

 

Adaladala foana ireo tsy tia

Isika vao maika koa miara-dia

Raha sendra mandalo dia mamangia

Fa ny mihafahafa dia sanatria

===Mozika===

Zazavavy iray, zanaka tantsaha

Mahafatifaty sady mahavariana

Ny anarany dia gasy fa tsy mba vazaha

Tsy iza akory izany fa i Lalatiana

 

Fa voa jerena kely dia mitsiky mahasondriana E (katraka ianao, ry Lalatiana)

Toa mandefa resaka sy bitsika mangina O (katraka ianao, ry Lalatiana)

Volana mazava izato endrikao sariaka E (katraka ianao, ry Lalatiana)

Satria ny tsikinao toa masoandro mibaliako O (katraka ianao, ry Lalatiana)

 

Oô Oô Oô Oô

Na iza tsy tia na iza halantsika ry Lalatiana

Ny fifankatiavantsika tsy azo ariana

Na eny andalam-be na eny ampivoriana ô

Izay rehetra lalovany dia variana

 

Adaladala foana ireo tsy tia

Isika vao maika koa miara-dia

Raha sendra mandalo dia mamangia

Fa ny mihafahafa dia sanatria

===Mozika===

Na mitafy lamba, na mitena akanjo

Dia hitako fa tsara ny bika sy ny ranjo

Hatramin’ny famindra, hatramin’ny fijoro

Malefaka tokoa ilay kanto zozoro

 

Ny olona tsy tia dia mangarika manjola E (katraka ianao, ry Lalatiana)

Izato ianao kosa toa vao maika miangola O (katraka ianao, ry Lalatiana)

Izay hatoninao dia mahazo fifaliana E (katraka ianao, ry Lalatiana)

Izay hilaozanao dia mahita hakivina O (katraka ianao, ry Lalatiana)

 

Oô Oô Oô Oô

Na iza tsy tia na iza halantsika ry Lalatiana

Ny fifankatiavantsika tsy azo ariana

Na eny andalam-be na eny ampivoriana

Izay rehetra lalovany dia variana

 

Adaladala foana ireo tsy tia

Isika vao maika koa miara-dia

Raha sendra mandalo dia mamangia

Fa ny mihafahafa dia sanatria

===Mozika===

Raha sendra mandalo dia mamangia

Fa ny mihafahafa dia sanatria (X2)

 

VONINAVOKO 

Lalatiana - VONINAVOKO

Merci pour votre visite et commentaire Misaotra mitsidika sy mametraka hafatra ho an'ireo nahazo fahasoavana ~ Thanks for visiting and commenting ~

R&N Mariage - Fisoratam-panambadiana - Wedding ~ Blog propriété Helys ~

Publicité
Publicité
Commentaires
RNmariage-fisoratam-panambadiana-wedding
  • R&N,17,10,2015 Nesles la Vallée - F 95 690~ Blog recueil photos mariage ~ Vohikala mitahiry sary fisoratam-panambadiana~Blog collecting wedding pictures ~ R&N Que l'Éternel vous bénisse, et vous garde!! Nombres 6.24 - Blog propriété ©Helys photos, 2015
  • Accueil du blog
  • Créer un blog avec CanalBlog
Publicité
RNmariage-fisoratam-panambadiana-wedding
Archives
Derniers commentaires
Visiteurs
Depuis la création 5 863
Publicité